Ho avy indray ny fifidianana k’indreo malala-tanana tampotampoka eo. Mahay manambitamby sy mampiaka-peo ireto olona milaza hilatsaka hofidiana. Moa va tsy mahavariana? Toerana maloto tsy falehany hatrizay no indro ifanotofany tsidihina indray. Dia raisiny ny angady Na aza andro alahady Dioviny ny tatatra sy ny lalan-kely Izany ka filamatra sy olona modely Mihosona maloto ilay … Continuer à lire Malala-tanana
Ditra
Raha ny ditra no amparina Enti-miaina eto an-tany Ndrao re lavo tsy ho tafarina K'antitra vao hitomany Raha ditra no ireharehana Mihevi-tena ho tsy azon’aloka Ndrao simba re ny hatanorana F’any amponja no hialokaloka Raha ny ditra no heverina Ho namana mba hahatafita Ndrao re ho vesara-nenina Holatsain'ny ratsy vita Samy mba naditra ihany Tamin’ny … Continuer à lire Ditra
Tsy maintsy tafita
Raha toa ianao re anaka mahatsiaro manirery Malahelohelo toa mila hiteny irery Satria olon-tokana any an-tany lavitra any Toa mangasihasy, mitady hitomany Na koa indraindray toa zary mangingina Lasalasa saina eo ambonin'ny fandriana Mahatsiaro ny havana sy manina ny tany Dia aza mitanondrika fa mitrakà hatrany Izao ihany anaka raketina an-tsaina Misaora an’Andriamanitra fa mbola … Continuer à lire Tsy maintsy tafita
Iarivo dibo-drano
Dibo-drano indray izato ianao r’Imerina Rava ilay tanànan’Andrianampoinimerina Satria ireo noheverina hanatsara sy hanamboatra, no mainka mampitroatra, ny zavatra nataony. Manko tsy nahoany, fa ny lemaka rehetra fivarinan-drano no tsy nananany antra, navadiny ho trano. Nototofany avokoa, fa tsy namakiany loha, ireo tany lemaka nampiavaka an’Iarivo. Manjakazaka tokana ireto mpanarivo Manampatra ny volany sy ny … Continuer à lire Iarivo dibo-drano
Sigara mamono
Ô ry namako mpifoka eto amin’ny tanàna a! Mba saino kely ange izato fahasalamana e Aiza ve rey olona ka afo tsy mba maty Setroka mamono no ampidirina any anaty Manimba havokavoka miteraka hasemporana Sigara lava izao no fohana sy dorana Angaha vitan’izany fa jereo anie ity vidiny Na aza mihalafo dia miharitra ny ngidiny Sigara … Continuer à lire Sigara mamono
Mpisolelaka
Rehefa miova ny Andriana dia miova koa ny Sata Na tiana na tsy tiana dia miova ireo Tandapa Misy ireo miala ka mangasihasy kely Fa misy indray mibontsina tsy hita velively Na izany na tsy izany dia tsy maintsy misy foana Tena mahavariana f’asa loatra re nahoana ? Ireo olona mamadika indray ny palitaony F’izay … Continuer à lire Mpisolelaka
Ho tò anie ny veliranony
Raha toa aza tsy lany ilay nofinidinao Ny didim-pitsarana no arahintsika izao Aoka ianao tsy ho kivy, na koa harary fo Manko tokana ihany no tsy maintsy atao Filoha Tsarovy fa ny fiainana dia tsy mifarana eo Ny resam-pifidianana no tapitra hatreo Aleo ny pejy hivadika, hiova ho hafa indray Ady amin'ny fahantrana no … Continuer à lire Ho tò anie ny veliranony
Nahavita adidy
Faly aho androany fa afaka nifidy Nandeha nihazakazaka namita ny adidy satria mahatsiaro tena fa olom-pirenena. Tsy olona nigadra aho na noverezin-jo ary olona hary saina sy ampy taona koa. Ka nahoana moa no tsy hamita ny adidiko? Tsy omeko olon-kafa mihitsy ny safidiko Na ho lany na tsy ho lany izay olona fidiako Tokana … Continuer à lire Nahavita adidy
IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA
Ny IST CHOIR dia sampana antoko mpihira ao amin'ny Institut Supérieur de Technologie Antananarivo. Mpianatra ao amin'ity toeram-pampianarana ambony ity avokoa arak'izany no mpikambana ao aminy. Efa taona maromaro izao no nijoroan'ny IST CHOIR, ary nandritra izay fotoana nijoroany izay dia efa nisy ny fandraisany anjara amin'ny asa fitoriana an-kira isan-karazany na tany anaty fiangonana … Continuer à lire IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA
Ny teo ihany no hiverina
Tena zendana ny saiko, ô mararirary ny aiko, mahita anao ry fireneko toa mahantra foana hatreto. F'izay nahazo fahefana, nampanantena fahagagana, mainka koa nanampy trotraka, nandavo anao izay efa motraka. Fa vao mainka aho variana lasa saina aho ginagina, tena mihivingivin-doha, f’ireo mpitondra teo aloha, nitarika ny fandravana, noho ny adim-pahefana, no nofidian’ny maro an’isa. … Continuer à lire Ny teo ihany no hiverina









