Ny vavahady tompoko tsy atao fakana sary Fa fanidiana trano tsy idiran’olo-tsy manjary Ny any aminareo re no alefaso fesiboky e F’aza an-tanin’olona ianareo no misoloky Ny alikanay re tompoko, dia alika mivovoa Fa tsy hoe alikakely fakanareo vovoa Ny vovoa re tompoko dia zava-maniry e Sa tain’alika indray no ambolena mba hitsiry ? Ny … Continuer à lire Resak’adala
Hifidy ianao kanefa
Hifidy ianao kanefa, ... Ny safidinao, aoka tsy hiantefa amin’ny efa voaporofo fa ratsy sy maloto, nanimba firenena tamin’ny loham-boto. Ny olona toy izany dia mendrika hosaziana Sazy mendrika azy, ilay izy tsy fidiana Koa mahaiza ianao mifidy Isika ihany mantsy no hizaka ny mangidy Hifidy ianao kanefa, ... Ny safidinao, aoka tsy hiantefa amin'ireo … Continuer à lire Hifidy ianao kanefa
Volabe avy aiza?
Mba vola avy aiza loatra Fa tena tafahoatra No ampiasain'ireto mpilatsaka hofidiana Moa va tsy toy ny rano misosa mikoriana Toa tsy mba mety ritra, ka tena mahavariana. Kanefa he jereo anie izato firenena Mahantra farahidiny, mampanongo tena Ka vola be avy aiza 'ty mirarakopana ity re ry sakaiza? Vola avy amin’ny rariny, azo tamin’ny … Continuer à lire Volabe avy aiza?
« Biometrika »
Hoy ny fanjakana hoe : antsoina avokoa isika Mba hanova « permis » ho lasa « biometrika » Isika tsy ambakan-drizareo avy any ampita Ary izany dia marihana ho toy ny zava-bita Dia iny fa nilahatra nandeha namikavika Nisy niari-tory, niandry karatra « majika » Faly ery avy eo nalaina sary indray mipika Kinanjo hay … Continuer à lire « Biometrika »
Mivavaka aho satria
Mivavaka aho satria, mila izany ny fanahiko Ny vavaka manala izay mety ahiahiko Mitana ny finoako mba tsy hisalasala Fa momba ahy hatrany Ilay Raiko izay Malala Mivavaka aho satria mbola nofo aman-drà Miady isan’andro amin’ny fakam-panahy Ka n’inona mitranga ary n'inona hianjady Ny vavaka no anisan’ny ampinga ho enti-miady Mivavaka aho satria mbola feno … Continuer à lire Mivavaka aho satria
Soava dia
Mbola zazakely tsy ampy herintaona akory fa mpitomany lava tsy nahitana tory ianao ry sombinaiko. Ka nararirary ny aiko nandao anao sy neny. Ianao arak’izany mbola zaza tsy niteny Satria dia lasa i dada nanohy ny fianarany Namela ho tsisy ray ilay Andoniaina zanany Latsa-dranomaso sy nalahelo am-po Kanefa dia nitraka satria ny tao an-doha … Continuer à lire Soava dia
Soa ihany
Tsaroako ery fahiny f’ianao ilay virijiny tsy nahalala akory izany hoe hiaraka hatory fa sarosaro-kenatra sy maotina aok’izany Moa va tsy toy ny anjely latsaka an-tany? Dia saikatra ny maro izay te mba hifangaro niezaka nambabo tamin’ny fony manontolo saingy dia indrisy fa nolavinao daholo Nitombo koa ny taona f'ianao tsy niova foana. Mainka aza … Continuer à lire Soa ihany
Fanatika
Aiza ianareo hoy ilay mpanao politika Indreto izahay hoy ireo fanatika Hiaraka hameno kianjabe indray isika Izahay efa vonona hoy ny fanatika Kabary lavareny dia arahina mozika Tena revinay izany hoy ny fanatika Na andro avy orana na andro mibaliaka Izahay ho avy foana hoy ny fanatika Raha te hahazo fahefana dia efa hainareo ny … Continuer à lire Fanatika
Te ho Filoha daholo
Hirotsaka filoha hono izy satria efa minisitra Misy koa hilatsaka satria hono artista Na ry pasitera aza efa ao anaty lisitra Mainka moa f’ireo efa nanao praiminisitra Hilatsaka ihany koa ny lehilahy avy any andafy Dia misy lahiantitra efa manan-jafiafy Dia misy koa vehivavy iray nitaingina sarety Ary ilay mpitsara vao nalaza vetivety Filoha amperinasa … Continuer à lire Te ho Filoha daholo
Mora manadino
F’angaha tsy vao omaly ny vahoaka no nijaly? Nanehoany ny heriny sy ny hadalany Nataony sorona aza ka latsaka ny rany Nanaovany amboletra ka nalainy an-terisetra ho lasa teny an-tanany toy ny hoe fananany mantsy ilay Fitondrana. Tsy nisy fifidianana na koa hoe teny ierana fa olona fangoloka mpanongam-panjakana. Kinanjo nony azony tokoa ilay fahefana … Continuer à lire Mora manadino









