Tsy maintsy tafita

Tsy maintsy tafita

Raha toa ianao re anaka mahatsiaro manirery Malahelohelo toa mila hiteny irery Satria olon-tokana any an-tany lavitra any Toa mangasihasy, mitady hitomany Na koa indraindray toa zary mangingina Lasalasa saina eo ambonin'ny fandriana Mahatsiaro ny havana sy manina ny tany Dia aza mitanondrika fa mitrakà hatrany Izao ihany anaka raketina an-tsaina Misaora an’Andriamanitra fa mbola … Continuer à lire Tsy maintsy tafita →

Iarivo dibo-drano

Iarivo dibo-drano

Dibo-drano indray izato ianao r’Imerina Rava ilay tanànan’Andrianampoinimerina Satria ireo noheverina hanatsara sy hanamboatra, no mainka mampitroatra, ny zavatra nataony. Manko tsy nahoany, fa ny lemaka rehetra fivarinan-drano no tsy nananany antra, navadiny ho trano. Nototofany avokoa, fa tsy namakiany loha, ireo tany lemaka nampiavaka an’Iarivo. Manjakazaka tokana ireto mpanarivo Manampatra ny volany sy ny … Continuer à lire Iarivo dibo-drano →

Sigara mamono

Sigara mamono

Ô ry namako mpifoka eto amin’ny tanàna a! Mba saino kely ange izato fahasalamana e Aiza ve rey olona ka afo tsy mba maty Setroka mamono no ampidirina any anaty Manimba havokavoka miteraka hasemporana Sigara lava izao no fohana sy dorana Angaha vitan’izany fa jereo anie ity vidiny Na aza mihalafo dia miharitra ny ngidiny Sigara … Continuer à lire Sigara mamono →

Mpisolelaka

Mpisolelaka

Rehefa miova ny Andriana dia miova koa ny Sata Na tiana na tsy tiana dia miova ireo Tandapa Misy ireo miala ka mangasihasy kely Fa misy indray mibontsina tsy hita velively Na izany na tsy izany dia tsy maintsy misy foana Tena mahavariana f’asa loatra re nahoana ? Ireo olona mamadika indray ny palitaony F’izay … Continuer à lire Mpisolelaka →

Ho tò anie ny veliranony

Ho tò anie ny veliranony

Raha toa aza tsy lany ilay nofinidinao Ny didim-pitsarana no arahintsika izao Aoka ianao tsy ho kivy, na koa harary fo Manko tokana ihany no tsy maintsy atao Filoha   Tsarovy fa ny fiainana dia tsy mifarana eo Ny resam-pifidianana no tapitra hatreo Aleo ny pejy hivadika, hiova ho hafa indray Ady amin'ny fahantrana no … Continuer à lire Ho tò anie ny veliranony →

Nahavita adidy

Nahavita adidy

Faly aho androany fa afaka nifidy Nandeha nihazakazaka namita ny adidy satria mahatsiaro tena fa olom-pirenena. Tsy olona nigadra aho na noverezin-jo ary olona hary saina sy ampy taona koa. Ka nahoana moa no tsy hamita ny adidiko? Tsy omeko olon-kafa mihitsy ny safidiko Na ho lany na tsy ho lany izay olona fidiako Tokana … Continuer à lire Nahavita adidy →

IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA

IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA

Ny IST CHOIR dia sampana antoko mpihira ao amin'ny Institut Supérieur de Technologie Antananarivo. Mpianatra ao amin'ity toeram-pampianarana ambony ity avokoa arak'izany no mpikambana ao aminy. Efa taona maromaro izao no nijoroan'ny IST CHOIR, ary nandritra izay fotoana nijoroany izay dia efa nisy ny fandraisany anjara amin'ny asa fitoriana an-kira isan-karazany na tany anaty fiangonana … Continuer à lire IST CHOIR, fampisehoana raitra tao amin’ny CCESCA →

Ny teo ihany no hiverina

Ny teo ihany no hiverina

Tena zendana ny saiko, ô mararirary ny aiko, mahita anao ry fireneko toa mahantra foana hatreto. F'izay nahazo fahefana, nampanantena fahagagana, mainka koa nanampy trotraka, nandavo anao izay efa motraka. Fa vao mainka aho variana lasa saina aho ginagina, tena mihivingivin-doha, f’ireo mpitondra teo aloha, nitarika ny fandravana, noho ny adim-pahefana, no nofidian’ny maro an’isa. … Continuer à lire Ny teo ihany no hiverina →

Resak’adala

Resak’adala

Ny vavahady tompoko tsy atao fakana sary Fa fanidiana trano tsy idiran’olo-tsy manjary Ny any aminareo re no alefaso fesiboky e F’aza an-tanin’olona ianareo no misoloky Ny alikanay re tompoko, dia alika mivovoa Fa tsy hoe alikakely fakanareo vovoa Ny vovoa re tompoko dia zava-maniry e Sa tain’alika indray no ambolena mba hitsiry ? Ny … Continuer à lire Resak’adala →

Hifidy ianao kanefa

Hifidy ianao kanefa

Hifidy ianao kanefa, ... Ny safidinao, aoka tsy hiantefa amin’ny efa voaporofo fa ratsy sy maloto, nanimba firenena tamin’ny loham-boto. Ny olona toy izany dia mendrika hosaziana Sazy mendrika azy, ilay izy tsy fidiana Koa mahaiza ianao mifidy Isika ihany mantsy no hizaka ny mangidy Hifidy ianao kanefa, ... Ny safidinao, aoka tsy hiantefa amin'ireo … Continuer à lire Hifidy ianao kanefa →