Fotoan-gasy

Fotoan-gasy

Mahazatra antsika loatra ilay tara fahatongavana N'aiza n'aiza no hifamory, resak'asa, vangy havana Malagasy tara lava, efa zatra moramora Ilay mandamina tsy taitra, toy ny tsy mahalala ora Rehefa hamonjy ilay fotoana, na maraina na hariva Tsy dia miraika firy, tsy miainga raha tsy efa hadiva Toy ny hoe tsy nisy akory ilay ora izay … Continuer à lire Fotoan-gasy →

Mikolokolo fahantrana

Mikolokolo fahantrana

Malagasy marobe no lazaina foana fa sahirana Fa misy malagasy koa mba nahita ny mangirana Fa mba aoka kosa re ilay fihatsaram-belatsihy Mody mba misentosento mitsetra ireto « quatmis » Ny olombelona rehetra dia samy manana ny anjarany Tsy voatery hitovy koa fa samy miaina ny tantarany Misy ireo izay niady mafy vao tafita amin’ny … Continuer à lire Mikolokolo fahantrana →

Mpanely tsaho

Mpanely tsaho

Ny malagasy dia mizahozaho Rehefa handainga sy hanely tsaho Zava-tsy marina sy tsy mari-pototra No dradradradrain'ireo lava molotra Toetran'ny gasy efa hatramin'izay Ny valala misy, ny mpilaza mahay Na zavatra kely toa tsy misy fotony Hitariny lava ary koa sarangotiny Na dia angano sy resaka abobo Dia ireo koa fa latsaka anatin'ny vovo Ireto vahoaka efa … Continuer à lire Mpanely tsaho →

Tiako ny teniko

Tiako ny teniko

Tiako ny taniko ary tiako ny teniko Nahaizako niantso an'i Dada sy Neny Tandroviko mafy ilay tenin-dreniko Ampianariko an-janako miana-miteny Ny teny ampiasaiko dia ny tenin-drazako Amin'ny fiainako andavanandro Satria io no teny voafehin'ny vavako Moa sitrak'ireo nahitako masoandro Ianarako anefa ny teny vahiny Satriko mihitsy aza hahay teny maro Fa halako kosa re aza … Continuer à lire Tiako ny teniko →

MAY MAY MAY

MAY MAY MAY

Dia taitra ny vahoaka fa misy zavatra mipoaka Inona ary izany ? hoy ny hafa manontany. Mihoraka ny ankizy sahotaka izay tsy izy kinanjo inona indray vonjeo fa « MAY MAY MAY » MAY indray ny Rova potika ny lova rava koa ny vakoka noho ireo mafy hatoka tsy mba laitra anarina mihevitra fa fisaka … Continuer à lire MAY MAY MAY →

Ety ambanivohitray

Ety ambanivohitray

Hafa ihany lahy ny ety ambanivohitray Tanàna mangingina mandry fehizay Ny havoana mifandimby amin'ny lohasaha Na tsy paradisa aza, mba maha te hizaha Toeram-pialantsasatra madio rivotra iainana Manainga ny fanahy, mampitony ny fisainana Lavitry ny tabataba, tsara kolokolo Mamiko tsy foiko ilay ety ambanivolo Ny tanety eny antsaha, voavoly tsisy ngazana Ny tanimbary koa efa … Continuer à lire Ety ambanivohitray →

Gasikara « afobe »

Gasikara « afobe »

Kely sisa dia hifarana izato fianarana niaretana ny mafy taona maro aty andafy. Taona maromaro izay nampifangaroharo hafaliana sy tomany niampy fizahan-tany. Nanovozam-pahalalàna heverina hampandroso ny tanàna. Ka hikasa hiverina amin'izay handeha hody any aminay. Saingy, ... toa misalasala indray. Tena sadaikatra ankehitriny sanatria ve ho azon-tsiny na koa hoe ho voan'ny tody satria tsy … Continuer à lire Gasikara « afobe » →

Vady tsara

Vady tsara

He tretrika aho ry tiako, fa manana anao Lasa ankamamiako, izao rehetra izao Toa ireo voninkazo, maniry anjaridaina Na misy izay malazo, mamelombelon'aina Ianao maneho fitiavana, dia adino ny tolokoko Lasa maitso mavana daholo ny tontoloko Ny endrikao sariaka, no sady miramirana Manova ho botsiaka, ny zava-manahirana Izato bikanao, tsotsotra nefa soa Tsy afak'antsaiko ao, … Continuer à lire Vady tsara →

Ny zanako

Ny zanako

Ny vady sy ny iray tampo Ray sy Reny tiako koa Tsy adino koa ny namako Fa hafa foana ireto zanako Tsy hitsitsiako izay harena Sady hahafoizan-tena Andaniako ny fananako Rehefa mahasoa anjanako Toy ny olona rehetra Izaho koa mba misy toetra Fa n'inona n'inona koa ditrako Zanako tsy apitrapitrako Na ny fo amam-panahy Sy … Continuer à lire Ny zanako →

Inay hono aho mba vorona

Inay hono aho mba vorona

Inay hono aho re mba vorona Nikopa-kelatra ho any aminao Ny aiko aza vitako sorona Mba hialan’izao gadrako izao Ny foko mitempo mankany Tsy laitra ampanginina intsony Asa ianao re izao any ho any Raha mahita irony kintana irony Indrisy izato ianao re ry aiko Mihenahena tsy mety mamaly Very hevitra mafy ny saiko Torovana … Continuer à lire Inay hono aho mba vorona →