Vavy sa lahy?

Vavy sa lahy?

Misy olombelona tsy fantatrao intsony
Toy ny vehivavy nefa bandy ry lerony
Atao hoe lehilahy nefa toa manalasala
Ny ao anatiny ao moa tsisy mahalala


Ny fihetsiny moa dia vavivavy toetra
Nefa toy ny lahy ny vatany rehetra
Fanina ny maro f’inona ary ity?
Atao « ialahy » ve, sa atao hoe « ndry »?


Betsaka izy ireo fa tsy iray na roa
Lasa lamaody ve fa mirongatra tokoa
Fandrosoana ve, sa kosa hadalàna?
Sa ve aretina ka sarotra ialàna ?


Rasamy

Laisser un commentaire