Mialona azy ianao,
satria tsy vitanao ny ezak’izay vitany?
Satria tsy hitanao ny tany efa hitany?
Maniry loatra ianao te hitovy aminy?
Dia ilay fiainanao no lasa tsisy maminy
Mialona azy ianao,
satria izay nokasainy, tena novitainy?
Azony ihany koa izay zavatra nilainy?
Toa satrinao hahita azy hijanona ho ambany?
Dia ny fonao no harary amin’izany
Mialona azy ianao,
satria ny fiainany toa misy fivoarana?
Na ny tokantranony toa misy fahasambarana?
Toa miditra ny soany fa tsy hay sakanana?
Dia mijaly ianao fa ory hava-manana
Nefa tsy fantatrao,
ny ratra ao anatiny sy mety alahelony
Tsy asehony anao izay tsiambaratelony
Izay tsara foana ihany no tiany zaraina
K’aza mialona azy fa mahaiza miaina
Rasamy