Raha maty ianao anio

Raha maty ianao anio

Raha maty ianao anio,
dia izao no tadidio
Tsy tapitra eo akory ny zavatra rehetra
fa ny anao kosa vita hatreo ny fetra
Alevina ianao dia hisy hitomany
Hisy ny hisaona fa vetivety ihany
Manohy ny asany daholo koa ny olona,
satria mitohy ny tolona
Tolona amin’ny fiainana ho an’ny mbola velona
Izay ilay olombelona

Ianao no lasa vovoka
Tsy afaka intsony handeha hanovokovoka,
hoe hiasa mafy sy hifoha maraina
Ny vatanao aza mihinjitra sy maina
Na ny trano tsara izay nandanianao vola,
ka nahatonga anao ho lasa solasola,
na ny fiara raitra izay novidianao lafo,
na ny olon-tiana nahazoanao safosafo,
dia olon-kafa indray no hisitraka azy ireny
Satria maty ianao ka tsy afaka miteny

Hoy ny ntaolo hoe, tsy mifametra ny aina
Koa ovao dieny izao izay tokony ovaina
Toy ny fijery miiba sy haratsiam-panahy,
na ilay kanosa tsy mba sahisahy
Adinoy ny omaly, ny androany ifalio
Tsy mampilaza mantsy io fahafatesana io
Ataovy tsisy nenina raha maty ianao anio

Rasamy

Laisser un commentaire