Ny reny

Ny reny

Ny renintsika tany aloha,
dia nahay nanasoa,
sy nikolokolo ny tao an-tokatrano
Reny mpitaiza sy mpitantara angano
Reny nipasoka sy nahandro vary
Nikarakara vady ho salama tsy harary
Nanome fitia sy nanabe ny zanany
Havanana amin’ny zaitra sy ny asatanany
Nanaja andefimandry sy nandefitra ihany koa
Mahatehidera ny reny tany aloha


Niova moa ny fiainana nony aty aoriana
Betsaka ny reny mandao ny fandriana,
fa mifoha maraina hamonjy ny birao,
dia ny mpanampy sisa no ao an-tranony ao
Ny mpanampy indray no manao ny lakozia,
sady izy ihany koa no mpanome fitia,
sy miara milalao manabe ny ankizy.
Ny reny hitady vola fa ny fiainana krizy
Tsy mihaona intsony raha tsy alina indray
Dia mitovy tanteraka ilay reny sy ilay ray
Samy lasa lohany satria mapidi-bola
Toy ny angano sisa ilay reny fahagola


Fa ny tena mahagaga koa ankehitriny
Ny reny te halalaka sy te hanao izay tiany
« Femme battante » moa no averimberiny
« Femme forte « , mampiseho ny heriny
« Femme indépendante « , tsy mila lehilahy
Izany no vohiziny tsy amin’ahiahy
Mamporisika ny namany hisaraka avy hatrany,
fa lany andro izany fandeferana izany
Vita hatreo ny hoe tokatrano fihafiana
Tsy misy lanjany intsony ny fanambadiana
Hanahoana ny hoavy fa mihabetsaka izy ireny?
Dia inona ary sisa no mahareny ny reny?


Rasamy

Laisser un commentaire