Mpitondra fivavahana

Mpitondra fivavahana

Ny mpitondra fivavahana
dia matetika avahana,
ho tsy mitovy amin’ny besinimaro
Izy dia natao hiteny sy hampahatsiaro
ny didy izay voasoratra anaty baiboly
Izy no mitantana ny fiainan’ny tempoly
Voalaza ihany koa fa olom-boatendry,
ka masina sy hendry,
manana fanahy sy toe-po tsara,
satria mpitoriteny eny ambonin’ny alitara
Tsy azo tsikeraina fa voahosotr’Andriamanitra
Olona handova ny fanjakan’ny lanitra

Kanefa kosa, … aleo dia ho tsorina,
fa misy izy ireny hita hoe tsy miorina,
amin’ny tenin’Andriamanitra izay hirahirainy,
fa tena hafahafa tokoa ny toe-tsainy
Mibedy izy ohatra mba tsy hijangajanga,
nefa tampoka eo dia iny fa nitranga,
ny zavatra nafeniny,
dia ilay vadikeliny.
Misy aza indrisy toa tantara mitohy,
fa voasaringotra sy voarahirohy,
nivoaka eran-tany fa fototry ny olana,
dia ireo pretra nalaza ho mpanolana

Indraindray moa mampanontany tena,
fa ny fitiavam-bola hono mariky ny fahalemena
Nefa izy etsy andaniny milaza tsy ankiato,
fa kely ny rakitra raha ariary zato
Zarainy ny valopy isan-kalahady,
ka n’inona n’inona olana mianjady,
amporisihany ny olona hamita ny adidiny,
dia misy manome na dia efa farahidiny
Mainka mihasahirana fa tsy ampy ny an-tanany
Fa ny pasitera sasany mitombo ny fananany
Misy ireo mitaky omena trano sy fiara
Nefa ny vola sy harena lazainy fa tsy tsara

Rasamy

Laisser un commentaire