Asa ianao raha toa ahy, f’indraindray aho mahatsiaro
Te hitokatoka-monina, te hiala amin’ny maro
Mila toerana milamina, mitady faritra mangina
Mampifalifaly saina, sy mitondra fitoniana
Tsy te haheno tabataba, leo korontana ihany koa
Mankafy zava-boary, manadio ny ao am-po
Tsy te handre ilay finday, izay maneno tsisy farany
Feom-borona no reko, na dia tsy haiko izay ambarany
Tsy adala aho akory, raha te mba hanirery
Tsy mila olona mpamangy, na koa havana hijery
Tsy hoe isan’andro anefa, na koa hoe mandrakizay
Fa tiako ilay izaho irery, tena ilaiko indraindray
Rasamy