Volabe avy aiza?

Volabe avy aiza?

Mba vola avy aiza loatra Fa tena tafahoatra No ampiasain'ireto mpilatsaka hofidiana Moa va tsy toy ny rano misosa mikoriana Toa tsy mba mety ritra, ka tena mahavariana. Kanefa he jereo anie izato firenena Mahantra farahidiny, mampanongo tena Ka vola be avy aiza 'ty mirarakopana ity re ry sakaiza? Vola avy amin’ny rariny, azo tamin’ny … Continuer à lire Volabe avy aiza? →

« Biometrika »

« Biometrika »

Hoy ny fanjakana hoe : antsoina avokoa isika Mba hanova « permis » ho lasa « biometrika » Isika tsy ambakan-drizareo avy any ampita Ary izany dia marihana ho toy ny zava-bita Dia iny fa nilahatra nandeha namikavika Nisy niari-tory, niandry karatra « majika » Faly ery avy eo nalaina sary indray mipika Kinanjo hay … Continuer à lire « Biometrika » →

Mivavaka aho satria

Mivavaka aho satria

Mivavaka aho satria, mila izany ny fanahiko Ny vavaka manala izay mety ahiahiko Mitana ny finoako mba tsy hisalasala Fa momba ahy hatrany Ilay Raiko izay Malala Mivavaka aho satria mbola nofo aman-drà Miady isan’andro amin’ny fakam-panahy Ka n’inona mitranga ary n'inona hianjady Ny vavaka no anisan’ny ampinga ho enti-miady Mivavaka aho satria mbola feno … Continuer à lire Mivavaka aho satria →

Soava dia

Soava dia

Mbola zazakely tsy ampy herintaona akory fa mpitomany lava tsy nahitana tory ianao ry sombinaiko. Ka nararirary ny aiko nandao anao sy neny. Ianao arak’izany mbola zaza tsy niteny Satria dia lasa i dada nanohy ny fianarany Namela ho tsisy ray ilay Andoniaina zanany Latsa-dranomaso sy nalahelo am-po Kanefa dia nitraka satria ny tao an-doha … Continuer à lire Soava dia →

Soa ihany

Soa ihany

Tsaroako ery fahiny f’ianao ilay virijiny tsy nahalala akory izany hoe hiaraka hatory fa sarosaro-kenatra sy maotina aok’izany Moa va tsy toy ny anjely latsaka an-tany? Dia saikatra ny maro izay te mba hifangaro niezaka nambabo tamin’ny fony manontolo saingy dia indrisy fa nolavinao daholo Nitombo koa ny taona f'ianao tsy niova foana. Mainka aza … Continuer à lire Soa ihany →

Fanatika

Fanatika

Aiza ianareo hoy ilay mpanao politika Indreto izahay hoy ireo fanatika Hiaraka hameno kianjabe indray isika Izahay efa vonona hoy ny fanatika Kabary lavareny dia arahina mozika Tena revinay izany hoy ny fanatika Na andro avy orana na andro mibaliaka Izahay ho avy foana hoy ny fanatika Raha te hahazo fahefana dia efa hainareo ny … Continuer à lire Fanatika →

Te ho Filoha daholo

Te ho Filoha daholo

Hirotsaka filoha hono izy satria efa minisitra Misy koa hilatsaka satria hono artista Na ry pasitera aza efa ao anaty lisitra Mainka moa f’ireo efa nanao praiminisitra Hilatsaka ihany koa ny lehilahy avy any andafy Dia misy lahiantitra efa manan-jafiafy Dia misy koa vehivavy iray nitaingina sarety Ary ilay mpitsara vao nalaza vetivety Filoha amperinasa … Continuer à lire Te ho Filoha daholo →

Mora manadino

Mora manadino

F’angaha tsy vao omaly ny vahoaka no nijaly? Nanehoany ny heriny sy ny hadalany Nataony sorona aza ka latsaka ny rany Nanaovany amboletra ka nalainy an-terisetra ho lasa teny an-tanany toy ny hoe fananany mantsy ilay Fitondrana. Tsy nisy fifidianana na koa hoe teny ierana fa olona fangoloka mpanongam-panjakana. Kinanjo nony azony tokoa ilay fahefana … Continuer à lire Mora manadino →

Gilita be

Gilita be

Tamin'ny alahady teo no natao ny fampisehoana Gilita be izay niarahan'ny mpanakanto marobe tao amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy Fanatanjahan-tena tao Mahamasina. Tamin'ny 3 ora no nanomboka ny lanonana ka nanao rodobe sy nifandimby niakan-tsehatra izy 18 mianadahy ary naharitra adiny dimy be izao izany. Araka ny anarana nomena ny fampisehoana moa dia ny gitara no … Continuer à lire Gilita be →

He sambatra

He sambatra

He sambatra ny olona izay mahay mionona amin’ny eo ampelatanany ka n’inona harena sy mety ho fananany na betsaka na kely, dia tsy izany velively no ataony famaharana ho antom-pahasambarana He sambatra ny olona izay misaotra Ilay Mpamorona amin’ny zavatra rehetra ka n’inona ataony sy mety ho tarigetra tiany ho tratrarina dia manana finoana izy … Continuer à lire He sambatra →