Na mafy sy mafaitra ka mila tsy ho laitra ny hetraketraky ny tany dia fombany ihany izany ka aza mitanondrika na koa hoe mitomany, fa n'inona mianjady dia misy koa ny fetra, koa manàna faharetana amin’ny zavatra rehetra. Tsy misy ny nateraka hijaly sy ho reraka ary higoka ny mangidy mandrapahafatiny fa ny hery ao … Continuer à lire Meteza ho mpandresy
Afaka
Endrey izany hafaliako He to ny faniriako f'ilay zanako izay tiako sady efa nandaniako ny herim-poko hatrizay dia hendry sy nahay. Ka azony ny diplaomany Sahaza izato taonany Mbola ho lavitra ny lalany Mbola hitohy ny fianarany ka hiandrandra hatrany hatrany fahafahana toy izany. Nefa izaho dia tsy hanahy satria Ianao koa mbola hitahy. Koa … Continuer à lire Afaka
Ô ry Madagasikarako
Na tapitra handao sy hanadino anao aza izao tontolo izao ô ry Madagasikarako. Dia izao ihany no ambarako Ianao no efa anjarako Sady tany niandohako no mbola toeran-kiafarako ka sanatria raha hoe hialako. Koa aoka ianao tsy hanahy fa ny fo sy saiko amam-panahy s’izay rehetra momba ahy dia hanompo anao eto foana. Ka na … Continuer à lire Ô ry Madagasikarako
Izany Dada izany
Izany Dada izany dia tsoriko amin’ise Tsy manao fisainan-jaza f’efa olon-dehibe Mahalala ny ataony sady feno fahamatorana Mahaleo-tena fa tsy miandry hotolorana Mahay mandanjalanja ny zavatra ataony Mamaha hatrany ny olana miseho eo anoloany Koa n’inona mitranga, n'inona n'inona manjo Ny ankohonany aminy no sarobidy aloha Izany Dada izany dia lazaiko an’ise Na vitsy koa … Continuer à lire Izany Dada izany
Voafatotra
Indraindray dia mahagaga Tena mampitolagaga ny mahita olona tsy matotra fa mora voafatotra. Lasa miankin-doha amin’ny zava-tsisy fotony Vao mainka aza sarotiny raha sendra ka tenenina hoe ialao io fa tsy tsara Ianao mananatra azy indray no ataony fa adala Misy ny voafatotry ny sigara sy rongony dia tsy tafavoaka intsony. Malemy dia malemy ary … Continuer à lire Voafatotra
Mitaky fiovàna
Nahoana re nahoana no toa mitovy foana ny fizotry ny tantara eto Madagasikara. Satria, .... vao manomboka mitràka sy mihamahazo faka izato fiainam-pirenena, dia indro indray krizy manimba toe-karena. Misy ireo milahatra mankeny an-dalambe Miziriziry mafy tsy mety mba voafehy Mitokona isan'andro, mitaky fiovàna Miandrandra fanavaozana, mitady fihatsaràna. Dia roboka ny maro. Mikiaka ny iray … Continuer à lire Mitaky fiovàna
Mpitsiriritra
Mahagaga f’any ho any misy foana hatrany hatrany mody mba mipitrapitra nefa hay mpitsiriritra ny fiainan’olon-kafa. Hany ka toa hafahafa ny fihetsiny rehetra. Lasa ratsiratsy toetra. Tsy mety faly sy afa-po f’iriany ho azony avokoa izay hitany etsy sy eroa ataony mankarary an-doha. Moa tsy zary mahatalanjona fa ny hafa indray no ataony tanjona tiany … Continuer à lire Mpitsiriritra
Samy diso
Manorisory sy manirikiry Ireto milaza ho mpanao politika Misisika mafy ary minia mikiry Kanefa tsy hita izay zavatra vita Samy miseho ho tia tanindrazana Samy milaza ho tia firenena Kanefa dia hita ary tsinjo sy tazana Ilay fitiavan-tseza sy fitiavan-tena Ny andaniny milaza ho tena mahay Mihambo ho mbola tsy nisy toa azy Kanefa mangalatra … Continuer à lire Samy diso
Mampandositra
Misy olona isan’andro Tsy maraina tsy antoandro Hafahafa mahavariana Tsy mba misy fifaliana Fa mimenomenon-dava Mitsikera lalandava Hita soritra amin’ny tavany S’izay avoakan’ito vavany Ny fomba fiaina sy fisainana Tsisy afa-tsy fitarainana Nefa tsy mahantra akory Na fadiranovana sy ory F'angamba efa voa ny sainy Tsy hainy intsony izay ilainy Miiba lalandava izao Ny firesany … Continuer à lire Mampandositra
Leo sy tofoka
Tena leo sy tofoka fa tsy afaka mikofoka ny Vahoaka tan-dalàna nohon'ny ataon’ny fanjakana. Manampatra ny heriny sy ny fahefany mba hifikirany amin’izato fitondrany. Nefa feno fangalarana sy fitiavan-tena Mieboebo fatratra, tsy manetry tena. Tsy mba zatra mihaino, fa manao be marenina Mbola miziriziry sy sarotra tenenina Ny fihetsiny rehetra dia tena higagana fa manome … Continuer à lire Leo sy tofoka








