Maro ny olona mangina fa malaina ny hiteny Miharitra tsy fidiny izay zavatra miseho Koa tsy mahagaga raha ny mpandainga lavareny No tokana manjaka satria mampianka-peo Maro ny olo-marina fa mitavozavoza Sadaikatra hamoaka izay mba ao an-tsainy Mibitaka noho izany iretsy olon-doza Na dia fafy lainga aza no zavatra lazainy Maro no mikatsaka ny mahasoa … Continuer à lire Resy ny mangina
Ilay fitia
Ireny adinay fahiny efa adino ankehitriny. Ny henjika sy famonoana aleo hodiana tsy tsaroana. Na ilay didim-pitsarana mariky ny hadalàna izay niantso figadrana mbola ao fa tsy hay fafàna. Kanefa, .... Angamba adala tamin'ireny na dia nanarina ombieny. Ilay fananana voadoro satria tsy laitra mba natoro. Ripaka avokoa ny harena fa tsy nahay nanetry tena. … Continuer à lire Ilay fitia
Adinoy ny lasa
Aza tsiahivinao ny lasa, s’izay rehetra momba azy. Ny fotoana no hamafa, f’aleo mibanjina ny hoavy. Aza tsarovanao akory f'adinoy hivalona any, ireo andro nampahory, nampisento sy tomany. Na mavesatra ny omaly, efa nampitondra kitro. Aza ataonao mampijaly, hanamaloka ny ampitso. Aza isaina ny efa vita mitondra nenina sy latsa. Jereo ny lalana miampita, hahatontosa … Continuer à lire Adinoy ny lasa
Lehibe ianao anaka
Anaka, izao andro anio izao no hanokanana anao hiray latabatra amin'i Tompo. Ka mivoady fa hanompo anio sy ho mandrakizay ilay zanaky ny Ray. Izay nanolotra ny tenany sy nandatsaka ny ràny Anton'ny mofo sy divay izay raisinao androany Anaka, efa lehibe tokoa ianao matoa raisina toy izao. Koa amin’izay atao rehetra tandrovy ilay fanahy … Continuer à lire Lehibe ianao anaka
Ny vola
Ny vola hono maharangahy nefa koa fakam-panahy. Sady fototry ny haratsiana no loharanom-pifaliana. Ny vola hono tsy hangidy fa ianao no misafidy. Na ianao ho andevony ka ho potika sy levony. Na ianao no hotompoiny tsy ho andevoziny intsony. Mba amboary re ny saina dia mba mahaiza koa miaina. Fa tsy vola vola foana no … Continuer à lire Ny vola
Maimbo helika
Malaza indray izao fa tao Tsimbazaza tao hono nisy maimbo helika nefa pelipelika tsy azo notenenina fa nanao be marenina. Nibosesika ihany ka namofona aok’izany tao an-dapa tsara be fivorian’ny depiote. Dia niakatra ny feo Mivoaha aloha nareo Roak’aliaka tsy ankitsitsy Tsy natao ho an’olombitsy fa mpanao gazety maromaro izay tsy tiany hifangaro. Satria lazainy … Continuer à lire Maimbo helika
Soa fa nisy vehivavy
He tsapa ery mazàna fa misy fahabangana ny ao an-tokantrano ao raha toa ny vehivavy ka sendra mba mandao. Na andro vitsy monja tsy maharitra akory dia io ralehilahy fa tsy mahita tory. Indrindra sanatria hoe lasa nodimandry ilay vady andefimandry dia maro ireo lehilahy no osa vetivety toa antitra malaky fa tsy mba metimety. … Continuer à lire Soa fa nisy vehivavy
Ny azy sy ny antsika
Ny azy ny herinaratra efa ny herin’ny masoandro Ny antsika mbola solika no miakatra isan’andro Ny azy politika no mitondra fandrosoana Ny antsika fanonganana no tena imasoana Ny azy ny tanàna madio sy tsara voatra Ny antsika zaoridira no mila hampitroatra Ny azy efa ho paradisa izay jeren’ny maso Ny antsika izay mijoro indray no … Continuer à lire Ny azy sy ny antsika
Manoratra momba an-dRasamy i Voniary
Raha vao nivoaka ilay bokin-dRasamy dia nanoratra taty amiko i Voniary ny amin'ny mba faniriany hiresadresaka fa te hahafantatra ny momba ahy sy momba ilay bokiko izy. Ary dia nihaona tokoa izahay mianadahy, nitafatafa nandritra ny minitra maromaro tao amin'ny biraoko. Nahafinaritra ny fihaonana satria samy mpanoratra bilaogy moa no niresaka. Vehivavy tsotsotra mahafinaritra i Voniary … Continuer à lire Manoratra momba an-dRasamy i Voniary
Voretra
Mba mahagaga loatra fa voretra tsy mivoatra ny ankamaroan'ny malagasy. Fa manipy taratasy vao nafono mofo gasy eny an-tokontany sy eny an-dalana eny. Tsy mahafehy tena sady tsy mifampiteny na mba mifananatranatra. Ka na ireo heverina fa olona nianatra na koa hita izao fa mba manan-katao dia toy ny tsisy saina fa adala tsotra izao. … Continuer à lire Voretra









