Vavak’i Mama

Vavak’i Mama

Iny zanako iny ry Tompoko malala Izay rehatra ataony, Ianao no mahalala Mba ampahafantaro azy re ny ratsy sy ny tsara Ka tsy haharendrika azy anaty zavatra voarara Mba tahio izy iny Tompo, n'aiza lalana hombàny Mahery loatra mantsy ny hetraketraky ny tany Ka ndrao dia ho solafaka hanenina hitomany Arovy re ny zanako mba … Continuer à lire Vavak’i Mama →

Raha mbola velona

Raha mbola velona

Raha mbola velona ny aina Dia tsy ho foana ny taraina F'izao foana atao an-tsaina Ny ho avy tsara no andrandraina Raha mbola misy ny maraina Manàna zavatra antenaina Mitsangàna aza malaina Ny herim-po no tena ilaina Raha mbola misy sombinaina Azonao karakaraina Miderà Ilay Tompon'aina Fisaorana Azy hirahiraina Rasamy

Mitaraina ny tany

Mitaraina ny tany

Mitaraina re ny tany fa toa tsisy fiafarany izato kiaka sy tomanin' ireo very tanindrazana. Satria dia nogiazan' ireo mpangalatra daholo izay tany maitso volo, eny hatrany ambanivolo. Mody odiany tsy hita akory ireo vahoaka nanajary fa na tanety, tanimboly, taninkazo, tanimbary dia ampiasainy ny hafetseny ka bodoiny sy fefeny. Eny alainy  ankitsirano. Azerany aza … Continuer à lire Mitaraina ny tany →

Menatra aho

Menatra aho

Menatra aho mahita ireto zanantsika fa na eto na any ampita, ka mba mahay taratasy dia tsy miteny malagasy. Hany ka mangasihasy ny Raibe sy Renibeny sadaikatra hiteny izay mba ao am-pony satria tsisy hainy intsony izay lazain'ireto zafikeliny. Mantsy hafa ny fiteniny. Menatra aho mahita izato tanindrazantsika mahantra farahidiny mizaka izato ngidin' ny fitiavan-tena … Continuer à lire Menatra aho →

Maty vao Ramalala

Maty vao Ramalala

Mahagaga anaka, fa iny olona iny dia lazainy ho tsisy tsiny fa tsara tsotra izao rehefa lasana nandao. Hono feno fahendrena sy nahay nanetry tena, nahiratra aok'izany tamin'ny sehatra niasany. Lafatra ary koa nahay, tena niavaka izy izay. Nefa fony fahavelony toa tsy nisy akory henony izay zava-nolazainy sy ny mafy tao an-tsainy. Nataony hoe … Continuer à lire Maty vao Ramalala →

Mahaleo tsy mba mankaleo

Mahaleo tsy mba mankaleo

Ity lahatsoratra ity dia navoakako voalohany tao amin'ny Blog de Rasamy tamin'ny taona 2016. Averiko eto amin'ity bilaogiko amin'ny teny malagasy ity satria eto no tena mety aminy. Ny tarika Mahaleo no anisan’ny mpanakanto malagasy tsy mba mety lefy laza ary ankafizin’ny olona maro satria tsy mifidy taona, tsy mifidy saranga ary miandahy miambavy. Ity … Continuer à lire Mahaleo tsy mba mankaleo →

Ny fasana eto Imerina, fantatrao ve ?

Ity lahatsoratra ity dia vokatry ny fikarohana fohy manokana tamin’ny boky sy lahatsoratra isan-karazany, sy avy amin’ny resaka nifanaovana tamin’ny olon-dehibe teny ambanivohitra ary nohon’ny zavatra hitan’ny masoko ihany koa. Manasa anao ary hamantatra ny momba ny fasana sy ny fanamboarana azy eto Imerina. Ny Fomban-drazana isan-karazany Amin’ny ankapobeny teo amin’ny malagasy teto Imerina dia … Continuer à lire Ny fasana eto Imerina, fantatrao ve ? →

Manjakaray, fantatrao ve?

Raha mamaky ny Blog de Rasamy ianao dia hahita ireo toerana fitsangatsanganana mahafinaritra eto Madagasikara. Eto amin'ity bilaogy ity indray dia mba tanàna hafa tsy fanaovana fizahan-tany indray no tantaraina eto. Ka hanombohako izany dia ny tanàna nandaniako ny fahazazako sy ny fahatanorako ka ireharehako dia tsy aiza akory izany fa ao Manjakaray na antsoina … Continuer à lire Manjakaray, fantatrao ve? →

Joseph d’Af tao Antsahamanitra

Joseph d’Af tao Antsahamanitra

Taorian’ny Antsa an’i Kristy dia anjaran’ny Joseph d’Af indray no nanao fampisehoana tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo teto Antananarivo. Saingy tsy tao amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy kolotsaina izany fa tao Antsahamanitra. Azo lazaina ho feno ny sehatra maintso tao Antsahamanitra. Ity lanonana ity moa dia nokarakarain-drizareo avy ao amin'ny Sampana Foibe Tanora Kristiana METM. Aorian’i … Continuer à lire Joseph d’Af tao Antsahamanitra →

Ambony sy ambany

Ambony sy ambany

Neny ô, ry zareo atsy atsimotsika dia tsy mety mibaliaka mihitsy ny masoandrony fa dia maizin-dava ny androny. Zara raha mba misakafo sanatria izay safosafo. Toa mirenireny mangataka eny an-dalana eny. Na ny kely na lehibe dia tsy misy mba mifehy fa dia miaina anaty loto ary lasa jiolahimboto Nefa indray ry Neny, atsy avaratsika … Continuer à lire Ambony sy ambany →