Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby

Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby

Ato amin'ity pejy Rediredin-dRasamy ity dia misy sokajin-dahatsoratra izay miresaka manokana momba ireo fampisehoana an-tsehatra izay mitranga eto Antananarivo na any amin'ny toeran-kafa koa. Koa raha ny fampisehoana nataon'ny hafa aza moa tantaraiko eto, nahoana ny fampisehoana izay nataoko sy nokarakaraiko no tsy mba tantaraiko? Izany indrindra no nahatonga ahy nanao ity lahatsoratra ity ho anao … Continuer à lire Tononkalo an-tsehatra nataon-dRasamy teny Ambohidrabiby →

Tsy lahatra ny fahantrana

Tsy lahatra ny fahantrana

Tsaroako ery fahiny fa iny namako iny dia nahantra sy kamboty tsy mba afaka niangoty satria nilaozan-dray sy reny mbola zaza tsy niteny. Niharitra sy nihafy kanefa niady mafy nihoitra tamin'ny fiainana. Tsy mba feno fitarainana fa na oviana na oviana dia nahay nampangina ho azy samirery, tao am-pony tao izay mety ho alahelony. Tsy … Continuer à lire Tsy lahatra ny fahantrana →

Joffreville, fantatrao ve ?

Joffreville, fantatrao ve ?

Ny tanànan’ny Joffreville dia miorina ambony havoana iray izay sahabo ho 32 km miala ny tanànan’Antsiranana no misy azy. Raha ho any ianao dia manaraka ny lalam-pirenena faha 6 aloha tokony ho 13 km eo raha miainga eo Antsiranana, avy eo dia mivily miankavanana. Manana ny mampiavaka azy tokoa ity tanàna ity raha ny ara-tantara … Continuer à lire Joffreville, fantatrao ve ? →

Aleo mangina

Aleo mangina

Na tapitra tsy ho faly fa vonona hampijaly sy hanenjika anao aza izao tontolo izao. Kanefa ianao mahatsapa ho tsisy zavatra hafahafa nataonao mampanahy mety haningotra fanahy. Satria fiainam-pahamarinana anaty filaminana no niainana hatrizay. Nefa misy manaratsy indray ... Dia aza taitra akory aza ataonao mampahory izany rehetra izany fa fomban-tany ihany. Aza mitanondrika na … Continuer à lire Aleo mangina →

Aza hitako any izany

Aza hitako any izany

Lafo vidy izao ny vary ka mila ho mosary ny ankamaroan'ny vahoaka satria ny iray kapoaka dia efa ho arivo ariary. Halatra miharihary ataon'ireo izay tsy manjary, sa vokatry ny fitavozavozàna ataon'ireto fanjakana? Sambany hono izany raha zohina ny tantara teto Madagasikara Mampanontany tena ny zavatra miseho satria vao vetivety teo dia niakatra ihany koa … Continuer à lire Aza hitako any izany →

Fiainana miovaova

Fiainana miovaova

Io lanitra io akory tsy ho mangamanga foana fa miova ho fotsifotsy sy matroka ihany koa Na ny diavolana aza tsy mandavan-taona fa mety maizinkitroka ny ao an-tampon-doha Ny kintana alinkisa koa tsy voatery ho hita fa rahona no tazana mandrakotra ny tany Izany anefa akory tsy dia hoe midika fa tsisy kintana intsony any … Continuer à lire Fiainana miovaova →

Tsy maintsy hamiratra

Tsy maintsy hamiratra

Raha toa ka mavesatra sy mitambesatra ireo adin-tsaina Toa haningotr'aina Dia izao no tsarovy ary koa tadidio Tsy maintsy hisava io rahon'io Aza manaiky ho resy tsy miady na mivarilavo hivarina an-kady fa mitrakà! Satria vehivavy, satria lehilahy nomena hery sy tanjam-panahy Amboary ny saina Mazotoa tsy malaina Mbola hody ventiny izay natsakaina Tsy maintsy … Continuer à lire Tsy maintsy hamiratra →

Nahoana loatra?

Nahoana loatra?

Andriamanitra ô, fa dia nahoana loatra Ity fiainana eto ity no mila hampitroatra Ny zaza sy zatovo mbola anaty hatanorana Lasa nodimandry, tsy nisy fierana Nandao ny tokantrano nihevitra hifaly Kinanjo tampoka eo, maty sy mijaly Indreo nidiran-doza, lavo tsy tafarina Andriamanitra ô, ambarao ny marina Tsy misy afa-miala fa lasana daholo Na zaza vao … Continuer à lire Nahoana loatra? →

Hay sarimbavy

Hay sarimbavy

Indray andro izay nisy lehilahy iray sendra nifanena tamin'ny tovovavy teny an-tsena. Dia io fa nampiresaka  sy mody nampihomehy Salama ianao ry tovovavy feno hatsaran-tarehy Tena kanto loatra Sady tsara voatra Tsisy azo kianina ny vatana sy bika Asa re raha mba afaka hiaraka ihany isika? Izaho aloha tsy tsara kanefa tena tara e Tsisy … Continuer à lire Hay sarimbavy →

Vavak’i Mama

Vavak’i Mama

Iny zanako iny ry Tompoko malala Izay rehatra ataony, Ianao no mahalala Mba ampahafantaro azy re ny ratsy sy ny tsara Ka tsy haharendrika azy anaty zavatra voarara Mba tahio izy iny Tompo, n'aiza lalana hombàny Mahery loatra mantsy ny hetraketraky ny tany Ka ndrao dia ho solafaka hanenina hitomany Arovy re ny zanako mba … Continuer à lire Vavak’i Mama →