Amiko dia ny Antsa an’i kristy no anisan’ireo tarika ara-pilazantsara voalohany nanova ny fomba fihira sy fanao amin'ny asa fitoriana an-kira mba ho maoderina sy raitra teto Madagasikara. Izy ihany koa no nanomboka ny fanaovana fampisehoana ara-pilazantsara manara-penitra nahafeno kianja kanefa misy vidim-pidirana, toy ireny mpanakanto malaza rehetra ireny teto Antananarivo. Nanomboka teo dia betsaka … Continuer à lire Antsa an’i Kristy, tsotra nefa kanto
Toetra miafina
Misy hono eto Imerina vehivavy noheverina ho hendry sy mpivavaka, tsara toetra miavaka. Kanjo hay toa fositra tena mampandositra, satria ivelany ihany izato bika sy hatsarany. Fa ny ao anatiny ao aoka ambara tsotr'izao fa dia manalasala satria vehivavy adala. Toa anjely mielinelina hay vehivavy makorelina. Misy hono eto Imerina lehilahy mba noheverina ho modely … Continuer à lire Toetra miafina
Manina te hody
Any izay ilay raiko, ilay dadako malala Mandroaka mora ny omby, hiditra ao am-bala Mantsy takariva izao ny andro any an-tanàna Izaho tsy maintsy mianatra, manovo fahalalàna Any izay ilay reniko, mamako tsy foiko Manokona nahandro, tsy mba ho adinoiko Mahatsiaro ho mangingina, mitady zafikely Izaho anefa ity mbola mpitovo manirery Any izay ny alikako, … Continuer à lire Manina te hody
Ilay hatsembohako anaka
Anaka, tsarovy tadidio fa io hatsembohako io dia tsy ho verivery foana fa na amin'ny fomba ahoana raha mbola misy azoko atao mba hahatafita anao dia ho efaiko foana izany f'avelao aho tsemboka any. Tsy hahalala vizana aho na handany andro hitalaho, tsy hitaraina tana-miepaka na ho kivy hivalaketraka, ka na ho esoina sy latsaina … Continuer à lire Ilay hatsembohako anaka
Fitiavana
Na ny asa fivelomanao s'izay fianarana atao, tsy hahitanao fahombiazana raha tsy ataonao am-pitiavana Ny fiainana ao an-tokantrano dia feno maso hanganohano, toy ny zioga fanagiazana raha tsy misy ny fitiavana Ny manodidina ihany koa hahitanao tsininy avokoa, mipololotra ny fandavana raha tsy ampy ilay fitiavana Izay rehetra hita maso hoheverinao fa ankaso, ny fonao … Continuer à lire Fitiavana
Mpitsabo tsy fidiny
Mahavariana sy mahavalalanina toa mahakivy ary koa mahafanina f'ireo nantenaina mba hanavotr'aina no toa lasa adala sy tsy misy saina. Ny efa marary amin'ny hopitaly manaintaina sy tena mijaly no kitakitaina sy vazavazaina tsy henoina akory raha mba mitaraina. Izy efa marofy sy mangirifiry tsy manan-tsafidy fa indro mikiry mandany vola hitsaboana tena kanefa hitsahina … Continuer à lire Mpitsabo tsy fidiny
Manam-pahefana
Dada ô, aty ampita aty ny hoe manam-pahefana dia toy ny olona rehetra, ambanin’ny lalàna, sady olona misaina sy manam-pahalalàna, ka tena tsara tantana ery ilay Fanjakana. Ny anarany tsy fampiasa hanaovana hadalana na fitaovan-kolikoly anaty fandraharahana ka na ny namany aza dia tsy asiany fihantràna raha toa ka voasaringotra eny amin’ny fitsarana. Raha toa … Continuer à lire Manam-pahefana
Harena mandatsa
Maro ny olona leiroa, tsy mionona amin'izay hananany Fa ny harena nangalariny, heveriny ho fahasambarany Tsy tsaroany fa ny ataony dia ho voasoratra ho tantarany Ary ny tantara izay natombony dia tsy maintsy misy farany Ny nenina leiroa tsarovy, tsy eo aloha hitari-dalana F'avy ao afara mba handatsa, tsy hananam-pitsaharana Mba tandremo ihany lahy ny toetra … Continuer à lire Harena mandatsa
Dada
Ilay andry fiankinana mitady vola misahirana mba hampitombo ny fananany sy hahatafita ireto zanany. Mpiteny sy mpananatra ary miezaka mampianatra. Tsy mba mikely soroka fa miasa sy mifofotra. Ka iny lasa isa-maraina mazoto tsy malaina satria mamelona ankohonana tsy mody raha tsy mitatao vovonana. Dia lasa indray avy eo ny atoandro tsy tonga raha tsy … Continuer à lire Dada
Ray ô, misaotra
Ray ô, tsy haiko ny hangina, tsy hisaotra ny anaranao Nahatsiaro ho notahiana, ka tratr'izao anio izao Amin'ny foko manontolo, misaotra Anao ry Tompon'aina Fa feno dimy amby efapolo, izato taona raha isaina Be ny sakana nodiavina, teny an-dalana nombàna Maro koa fa tsy azo lavina, izany ditra sy hadalàna Nefa ianao ry Ray Tsitoha, … Continuer à lire Ray ô, misaotra







