Mahay ny olombelona fa hainy ny mamelona sy mampiakatra an-danitra ity voromby maranitra. Manavatsava zavona dia lasana nanjavona. Ny rahona aza ambany ka takona ilay tany. Dia lasa teo ny saiko vitantsika ny mibaiko nanova sy namorona ity Vy ho lasa Vorona. Manidina any ambony tsy tazana intsony ka moa tsy poa toy izay … Continuer à lire Voromby manidina
Soa fa teo i Neny
Soa fa teo i Neny, ilay nampianatra niteny, sy nitondra am-bohoka, nandady sy niankohoka, nivavaka ho an-janany, sy ny ho avin'ny taranany. Tsy mahalala vizana, fa feno fikirizana. Ka na ora fahafiry koa, na ora fahafiry, na andro mahamay na hatsiaka hamirifiry, dia tsy manaiky kivy fa mitsangana mikiry. Raha iny misy fanaviana, na anaty faharariana, … Continuer à lire Soa fa teo i Neny
Mikiriza hatrany
N'inona n'inona efa lasa, s'izay kinendrinao anio N'inona ihany koa kinasa dia izao no tadidio Ny olona tsy maintsy hiteny, na ho tsara na ho ratsy Tsy ho voasakanao ireny, f'avadiho hanjary vatsy Mba ho vatsy enti-miady, fa tsy hampialangalana Ka n'inona n'inona mianjady, dia tohizana ny lalana Hisy foana hafa fijery, hitsikera sy hanakiana Ireny indray no ataovy hery, handresenao … Continuer à lire Mikiriza hatrany
Ianareo mpifosafosa
Dia lasa indray nareo fa hifosa tsisy farany Izay fosainareo aloha dia miova koa ny anarany Raha tsy anaram-biby dia anarana mandatsa Mbola ho avy ny anareo ny vava tsy omby patsa Ny olona malaza ataonareo mahita angano Io "bandy" io mpampirafy e, mpandao tokantrano Io "sipa" io indray lazaina fa hoe mpangala-bady Sa ny anareo no … Continuer à lire Ianareo mpifosafosa
Mitondra faisana
Tompo ô, indro aho latsa-bava mivavaka aminao Mahatsiaro ho kely hery ka tsy hita izay atao Fireneko efa mahantra, tsy mety ho tafarina Injao voadona indray, mandady raha ny marina Te hiantsoantso mafy aho, miangavy mitalaho Ity Rivo-doza ity re, aok'izay raha azo atao Manimba sy mamono, mandrava ny fananana Ny asa tsy mandeha, mihidy … Continuer à lire Mitondra faisana
Vehivavy « faosika »
Taitra tampoka aho nahita izato bika sy tarehy Kanjo hay tsy natoraly fa dia zary mampihomehy "Faosika" ny volomasony, lokomena be ny molony "Faosika" ny hohon-tanany sy izato lokom-bolony Dia lasalasa teo ny saiko, vehivavy tsy mahalala onony? Asa angamba hatrany anatiny, "faosika" va re ny nonony? Dia sanatria va re ka "faosika" ihany koa 'ty … Continuer à lire Vehivavy « faosika »
Tera-bitro
Nareo efa mahantra, tsy maha-te hiantra satria tsy hay tenenina, fa manao bemarenina. Efa lazaina foana, mila ho mandavantaona, hoe aok’izay ilay zaza, fa tena tsy sahaza. Dia indreo mikiry hatrany, manao zaza ihany, lasa tera-bitro, tsy mitsinjo ny ampitso. Miteratera-poana, efa ho isan-taona, nefa ny eo tsy vanon-ko olona, tsy mety mamololona. 'Nareo tokony … Continuer à lire Tera-bitro
Mba saino ihany leisy
Tandremo tsara leitsy fa ny mpametsifetsy mpangalatra sy mpanambaka dia tsy mba hiorim-paka ao aminy tsy akory ny harena izay voavory fa mandalo ihany ka any aoriana any dia mbola hitomany Mbola ho latsa-nenina satria izay nafenina tsy maintsy mbola hipoitra ary mainka koa hivoitra ka hiseho hivandravandra toy ny vay fa tsy mba tandra miseho … Continuer à lire Mba saino ihany leisy
Tiako ianao satria
Fandrentsika ombieny ilay hoe tiako fotsiny ihany Tsy misy hoe nahoana, tsy asiana hoe satria Ny ahy kosa re dia tsy mba toy izany Fa tena marobe ny anton'ilay fitia Tiako ianao mitsiky, mizara hafaliana Tiako koa rehefa injay mba malahelohelo Mahay mampahery raha sendra hakiviana Na misy zava-tsarotra toa manelohelo Tiako ilay ianao mavitribitrika … Continuer à lire Tiako ianao satria
Namana
Misy ny namana mody mba namana rehefa ao anatin'ny fahasahiranana fa vao nahita izay azo ihoriranana dia iny nilefa tsy hay nosakanana Misy tsy namana fa lasa namana ny fesiboky no mba ikambanana ka na tsy misy fifandraisan-tanana ifampizarana izay hevitra hananana Misy koa namana lasa tsy namana satria nanary tsikalam-pihavanana fa tsikalam-bola no lohalaharana dia indro nisaraka … Continuer à lire Namana








